You are currently browsing the monthly archive for February 2009.

Malagasy version:

Niarahantsika nahita fa nisy tokoa ny fihaonana teo aminay sy Andriamatoa Andry Rajoelina izay nokarakarain’ny filoham – piangonana FFKM, izay notarihin’ny Président Monseigneur Odon Razanakolona niaraka tamin’ireo filoham – piangonana telo mirahalahy. Nizotra tsara ary tamim – pirahalahiana tsara ny fihaonana.

Misaotra an’Andriamanitra lehibe isika satria dia tena hita tokoa fa manam – pahendrena ny Malagasy ary araky ny nambarako ombieny ombieny, teny Mahamasina ohatra, dia vonona sy mankasitra ny fifanakalozan – kevitra aho ary indrindra indrindra raha misy ny hevitra tsy hitovizana dia ezahina ny mifanazava ary indrindra indrindra ny tokony hananana fihainoana tsara ny teny avoaka izany.

Koa dia mahafaly ahy ry vahoaka Malagasy ny misaotra ny mpikarakara sy nanomana ireny fihaonana ireny satria ny tombotsoan’ny daholobe no heverina sy hokatsahintsika. Afaka ny tebitebin’ny olona ary manatena aho fa samy hanaja tsara izay fepetra hiantombohan’ny fifanakalozan – kevitra araky ny efa voarafitra ao amin’ny fanambaran – dry zareo ao amin’ny FFKM izany.

Ny fifanarahana dia ny hoe tsy asiana mpanao gazety dia manaja tanteraka izany, nefa ianareo moa manontany ahy dia valiako hoe misy ny fihaonana ary tsy hoe ny fihaonana androany ihany. Nisy koa ny fihaonana omaly niaraka tamin’ny mpanao politika izay notarihin’I Manandafy Rakotonirina filohan’ny MFM, ry zareo ao amin’ny TIM, toy izany koa ny société civile.

Efa nolazaiko fa ilaina dia ilaina ny fifanakalozan – kevitra koa dia manantena aho fa samy hanaja tsara ny zavatra tinapaka amin’ireny fivoriana ireny isika.

Ny mahafaly ahy koa ny mahita ny Malagasy, toa ny nisy zavatra nangeja azy tao, nampihorohoro azy, ankehitriny dia mahatsiaro afaka izay zavatra mitambesatra ao aminy izay izy. Koa dia miantso mandrakariva ny vahoaka Malagasy aho amin’ny fahendrena izay ananany mba ho tony, mba samy handray andraikitra amin’ny famerenana amin’ny laoniny ny fiainana andavan’andro, ny filaminana ary indrindra indrindra ny fandriampahalemana.

Efa manao ny asany hoy aho aminareo ny mpitandro filaminana, ny miaramila, ny vahoaka. Manantena isika fa hitohy izany ary iriantsika dia iriantsika mba hiroso bebe kokoa amin’ny fampandrosoana sy ny fanatsarana ny fiainan’ny olona amin’izay isika ary efa ahita vahaolana mandrakariva amin’ny hevitra tsy hitovizana sy ny disadisa misy etsy sy eroa.

Koa dia izay ihany no tiako ambara fa amin’ny fifanarahana hoy aho aminareo fa tsy hisy ny filazana manokana, na ny mpaka sary akory aza teo, fa ny fanontanianareo ihany no valiako, izay ihany no tiako ho lazaina sy ho tsindriana.

English version: [free translation]

We know that there was a meeting between Mr. Andry Rajoelina and I, organized by the heads of the FFKM (, and led  by President Bishop Odon Razanakolona.The meeting went well, in a spirit of brotherhood. We thank Great God, and we thus see that the Malagasy are wise. I repeated many times, at Mahamasina for instance, that if there are divergent views, it is always possible to explain, and it is important to hear what is  said.

I would like to thank the organizers of this meeting because it the interest of all that we seek to satisfy. People are freed from their fear, and I hope that everyone will respect the preconditions for dialogue provided by the FFKM.

It was agreed that no journalists could attend the meeting, and we respected that. But since you ask questions, I will say that there were meetings between various stakeholders, not just today. Meetings were held yesterday with politicians, led by Manandafy Rakotonirina, the President of MFM, those of TIM, and also civil society. I have already stated that a dialogue is needed and I hope that we will respect what was agreed.

I am pleased to see the Malagasy freed from things that chained them up, terrorized them. I call on the Malagasy people to be calm and that each takes its responsibility to restore order in everyday life, especially the calm , order and security.

The police are already doing their job, the military and the population too. We hope that this progress will be kept on and wish more in the development and improvement of people’s lives, to find outcome differences of opinion and conflicts here and there.

This is what I wanted to announce to you. As I told you, we agreed that there will be no special report, no photographs were there. I just wanted to reply to your questions. This is what I wanted to say and to stress on.

On Friday, Andry Rajoelina talked about an understood long march to where the President is that we all could guess would be Iavoloha.

Finally, on saturday TGV protesters meeting at the Place du 13 Mai, Andry Rajoelina announced that he would meet the president that day. Andry Rajoelina who always said that no negotiation is possible for it is too late or it would not lead to the Transitional Government, had to explain to his followers that this meeting with Marc Ravalomanana is a symbol of victory for the TGV supporters. Andry Rajoelina explained that he was not afraid to personnaly meet Marc Ravalomanana because he would bring “on table” what the crowd of 13 Mai have claimed for.

In fact, Marc Ravalomanana and Andry Rajoelina met in a neutral place – Falda in Antanimena – which has been choosen and initiated by the FFKM (association of 4 churches: Protestant, Catholic, Lutherian and Anglican). No journalists were allowed to attend this meeting.

After one hour of negotiation, this is the communiqué from the FFKM which announced the deals between Marc Racalomanana and Andry Rajoelina:

- Stop provocative statements through medias;

- Stop spreading untrue information and news;

- Stop attacks and roberries of private or public properties;

- Stop meetings on the streets;

- Stop arrestations related to political nature.

The meetings at the Place du 13 Mai have been then canceled.

The meeting of Marc Ravalomanana and Andry Rajoelina on Saturday was just a start. Other meetings are planned. And the next one will be on Monday or Tuesday announced Andry Rajoelina on VIVA TV.

On Saturday, a worship service took place at the gymnasium of  Mahamasina open to all christian people who really wanted to pray together for the country. This worship service was announced on Radio Mada so we could guess that it was initiated by the pro Ravalomanana. Though this worship service invited all chistian people and accepted any political involvment.

Misaotra an’Andriamanitra izahay tato amin’ny FFKM tamin’ny zava-niseho teto Antanimena androany 21 Febroary 2009 dia ny fampihaonana sy ny fihaonan’ny Filoha Marc Ravalomanana sy Andriamatoa Andry Rajoelina.

Misaotra ihany koa azy roalahy mianaka nanana fandavan-tena sy fahasahiana namaly ny antso nataon’ny FFKM.

Teo amin’ny fampidinihina dia ireto ny zavatra nifanarahan’ny roa tonta:

- Atsahatra ny fampiantsiana sy ny fanaratsiana ary ny fandrangitana amin’ny haino aman-jery;

- Atsahatra ny fampielezana vaovao tsy marina;

- Atsahatra ny fandrobana sy fangalarana fanan’olona   na fananam-panjakana;

- Atsahatra ny fihetsiketsehana an-dalam-be;

- Atsahatra ny fisamborana sy ny fanenjehana manana endrika politika.

Ireo no napetraka dia ny mba hanamora ny fifampidinihina satria mbola hisy indray ny fotoana hihaon’ny roa tonta.

Samy anentana ny andaniny sy ny ankilany mba ho tanteraka tokoa ireo zavatra nifanarahana ireo.

Marihina fa nizotra tam-pilaminana, tam-piralahina sy tam-panajana ary tam-patoniana izany fihaonana teo ambanin’ny fitahian’ny filoham-piangonana FFKM izany.

Ankinintsika amin’ny Tompo izao ezaka ataontsika izao satria raha tsy ny Tompo no manao ny trano dia sasa-poana izay manao azy.

Manao sonia ny filohan’ny fiangonana efatra tonta.

My tweets

 

February 2009
M T W T F S S
« Jan   Mar »
 1
2345678
9101112131415
16171819202122
232425262728  

My Flickr Photos

#11ElevenLive #Antananarivo #Madagascar

#11ElevenLive #Antananarivo #Madagascar

#11ElevenLive #Antananarivo #Madagascar

#11ElevenLive #Antananarivo #Madagascar

More Photos

RSS Moonlightgirl

RSS Kyaexpresses

Enter your email address to subscribe to this blog and receive notifications of new posts by email.

Join 13 other followers

Ariniaina - Find me on Bloggers.com
Follow

Get every new post delivered to your Inbox.